2 Timothy 1

1Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy tamin’ny alalan’ny sitrapon’Andriamanitra, araka ny fampanantenan’ny fiainana izay ao amin’i Kristy Jesosy, 2an’i Timoty, zanaka tiana: Fahasoavana, fiantrana, ary fiadanana avy amin’Andriamanitra ilay Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.

3Misaotra an’Andriamanitra aho, izay tompoiko avy amin’ireo razambeko, miaraka amin’ny feon’ny fieritreretana madio, tahaka ny hahatsiarovako anao mandrakariva amin’ny fivavahako andro aman’alina. 4Tahaka ny hahatsiarovako ireo ranomasonao, maniry mafy ny hahita anao aho, ka mety ho feno hafaliana aho. 5Nampahatsiahivina tamiko ny finoanao marina, izay niaina voalohany tao amin’ny renibenao Loisa sy ny reninao Eonisa, ary resy lahatra aho izao fa miaina ao aminao ihany koa izany.

6Izany no antony ampahatsiahivako anao mba hampiasanao indray ny fanomezan’Andriamanitra ao aminao amin’ny alalan’ny fametrahako tanana. 7Fa Andriamanitra tsy nanome fanahin’ny tahotra antsika, fa ny hery sy fitiavana ary fifehezan-tena.

8Ka aza menatra amin’ny fijoroana vavolombelona momban’ny Tompontsika, na amiko, Paoly, ilay gadrany. Fa kosa, mizarà amin’ny fahoriana ny filazantsara araka ny herin’Andriamanitra. 9Fa Andriamanitra no namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny antso masina. Nanao izany Izy, tsy noho ireo asantsika, fa nohon’ny drafitra izay efa nataony sy ny fahasoavany. Na dia mbola tsy niandoha aza ny fotoana dia efa nanome antsika ireny zavatra ireny tao amin’i Kristy Jesosy Izy. 10Fa ankehitriny ny famonjen’Andriamanitra dia nambara tamin’ny alalan’ny fisehoan’i Kristy Jesosy Mpanavotra antsika. Kristy izay nanafoana ny fahafatesana ary nitondra fiainana izay tsy ho tapitra mandrakizay mba hanazava amin’ny alalan’ny filazantsara. 11Noho izany, dia voatondro ho mpitory teny aho, ho apostoly, ary ho mpampianatra. [Fanamarihana: Ireo dikan-teny taloha sasany dia manampy hoe: “Ho an’ny Jentilisa.”]

12Fa noho izany antony izany dia mijaly amin’ireny zavatra ireny ihany koa aho. Fa tsy menatra aho, satria fantatro Izy ilay ninoako. Resy lahatra aho fa afaka mitazona izay efa nankiniko taminy Izy mandra-pahatongan’izany andro izany. 13Tazomy ny ohatra momba ireo hafatry ny finoana izay henonareo tamiko, miaraka amin’ny finoana sy fitiavana izay ao amin’i Kristy Jesosy. 14Ny zavatra tsara izay nataon’Andriamanitra taminao, ambeno amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izany, izay miaina ao amintsika

15Fantatrareo izany, fa izay rehetra nipetraka tany Azia dia nivadika tamiko. Ao amin’io fikambanana io ireo Fizelio sy ireo Hermozena. 16Enga anie ny Tompo hanome famindram-po amin’ny tokantranon’i Onesiforo, satria namelombelona ahy matetika izy ary tsy menatra tamin’ny gadrako. 17Fa kosa, rehefa tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra, ka hitany aho. Ny Tompo anie hampiseho azy ka hahitany famindram-po avy aminy amin’izany andro izany. Ireo fomba rehetra nanampiany ahy tao Efesosy, dia fantatrareo tsara.

18

Copyright information for PltULB